Araka ny fanadihadiana natao tamin-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, afakomaly, hotanterahina any Kenya, ny volana mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina lavalava, sokajy vehivavy. Hanan-danja lehibe tokoa io fifaninanana io satria hiatrika ny « WXV II » izay voalohany amin’izany ary hanao ny « WXV III » ny laharana faharoa.
Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Newcastle United, anglisy sy ny FC Barcelone, espaniola, afakomaly, tany Angleterre. Fifanandrinana mandroso, tafiditra amin’ny fifaninanana eoropeanina, taranja baolina kitra, “Ligue des Champions (LDC) 2026”. Hatao any Camp Nou ny lalao miverina, ny alarobia 18 marsa ho avy izao.
Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 28 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 19 taona, lahy sy vavy. Toerana telo no hanaovana izany manomboka any amin’ny fifanintsanana hatrany amin’ny famaranana. Ahitana ny eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, Efitrano lehibe ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ary eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano.




