Dihy vakodrazana no nahafantarana ny tarika Gasy Dihy. Mampiaraka izany amin’ny mozika ihany koa izy ireo, satria saika mpanakanto marolafy avokoa izy 10 mianady mpikambana ao. «Aingam-panahy avy amin’ny kolontsaina sy ny fomban-drazana malagasy no entinay, ary kasainay hasandratra avo», hoy i Jean-Louis, mpandihy, mpitendry ary mpitarika ny Gasy Dihy. Mampiasa zavamaneno faheno amin’ny hira vakodrazana, toy ny angorodao, lokanga, ampongabe ary ireo zavamaneno tsofina isan-karazany ny tarika. Manasongadina ny taovolo sy ny fanamiana enti-miantsehatra ihany koa mba haneho ilay vakodrazana feno.
Tazana matetika amin’ireny lanonana ofisialy, indrindra ireo andraisana vahiny eto Madagasikara, ny tarika Gasy Dihy. Anisan’ireny, ohatra, ny «Youth Connect Africa», «Cop 11», «Sommet Comesa», «Salon des acteurs économiques», sns. Tsy eto Madagasikara ihany fa indrindra haneho ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny dihy sy mozika any amin’ny sehatra iraisam-pirenena no tanjon’ny tarika.
Zo ny Aina




