Nanolotra fanohanana ireo tetikasan’ny vehivavy misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra Ambaniandrefana, Vakinankaratra, ny fitondram-panjakana. Natao afakomaly, teny Ambohitsirohitra, izany, notarihin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël. Nambarany fa hametrahana politika hanohanana ara-bola ireo tetikasa entin’ny tanora sy ny fikambanana miasa ho fanatsarana ny faripiainan’ny vahoaka.
Nisitraka 20 tapitrisa Ar ho fanohanana ny fampiroboroboana ny asa fiveloman’ny vehivavy sy ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo any ambanivohitra ny VMTAA. Ny fikambanana Fanilo miampita (Fami) kosa no nahazo 33 tapitrisa Ar hanatanterahana tetikasa sosialy. Anisan’izany ny fanorenana trano fonenana sy fotodrafitrasa ho an’ny fiarahamonina ao amin’ny kaominina Betafo. Manampy izany ny fametrahana toby famatsian-drano.
Nahazo fanohanana 10 tapitrisa Ar ihany koa ny faritra Vakinankaratra ho fanatsarana sy fikojakojana ny lalana mankany Ambano. Natao izany fanamboarana izany hanamorana ny fivezivezena sy hanohanana ny asa ara-toekarena eny ifotony.
Tatiana A.




