Basikety 3×3 – “Champion’s Cup” : Hiakatra an-kianja, anio, ny Ankoay

Anio no hiakatra an-kianja ny ekipa malagasy Ankoay, ao anatin’ny fifaninanana “Fiba 3×3 Champion’s Cup”, taranja basikety, izay hatao any Bangkok Thaïlande. Ny An­koay lehilahy no hisantatra izany, anio, amin’ny 2 ora sy 5 minitra, ka ny ekipan’i Australie no hifanandrina voalohany amin-dry Elly, Livio, Arnol ary i Anthony. Aorian’­ izay ny hihaona amin’ny Etazonia ireto Ankoay, lehilahy, ireto. Hiditra an-tsehatra kosa ny Ankoay, vehivavy, amin’ny 5 ora sy 20 minitra, manoloana ny ekipan’i Etazonia.
Ho amin’ny rahampitso, hifandona amin’i Australie ry Sydonie, Christiane, Sam­batra ary i Sarobidy. Aorian’ ­izay, hihaona amin’i Pays-Bas izy ireo amin’ny lalao faharoa ho amin’ny rahampitso. Ny ekipan’i Pays-Bas ihany koa no hifanandrina amin’ny An­koay, lehilahy, rahampitso amin’ny 5 ora latsaka dimy.
Tsiahivina haharitra 3 andro ity fifaninanana ity ary firenena 13 no hifaninana amin’izany, ahitana an’i Pays-Bas, Allemagne, Autriche, Canada, Etazonia, Espagne, Australie, Chine, Lituanie, Serbie, Azer­badjan, Thailande ary i Mada­gasikara. Amin’ny maha tompondakan’i Afrika an’i Mada­gasikara, tamin’ny “Africa Cup 3×3”, natao teto Madagasi­kara, tamin’ny taona lasa, no ahafahan’ny Ankoay, lahy sy vavy, mandray anjara amin’ity fifaninanana ity.

Mi.Raz

Partager sur: