Ahemotra ny datin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora. Mampahafantatra ny fikambanan’ny tanora sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny olom-pirenena rehetra ny minisitera fa mitaky fametrahana rindrandamina vaovao mahomby ny fikarakarana izany fihaonambe izany.
Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana bakalorea, niara-nidinika ireo mpisehatra amin’ny fanatanterahana ny fanadinana. Nitarika izany ny sekretera jeneralin’ny Mesupres. Nifototra tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera telo tonta sy ny fandaminana mahakasika ny fisoratana anarana ny fihaonana. Nampahatsiahivina nandritra izany fa ny 27 marsa no farany fandraisana izany ary tsy hisy ny “dérogation”.
Mitohy any amin’ny faritra ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao ho an’ny Inspecteurs du travail et des lois sociales (ITLS) momba ny fanamarinana ny fandoavana latsakemboka ho an’ny Fonds malgache de formation professionnelle (FMFP). Ny 11 marsa teo no anjaran’ny ao amin’ny faritra Vakinankaratra, Itasy ary Bongolava.




