Araka ny fanapahana n°07-HCC/D3, omaly, nankatoavin’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fametraham-pialan’ireo mpikambana valo eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, afa-tsy ny filohany, rehefa hita ny fahabangan-toeran’izy ireo. Tamin’ny 5 marsa ny fametraham-pialana no natao, napetraka teny amin’ny HCC ny
6 marsa, araka ny fanazavan’ ny mpampakateny voalohan’ ny Ceni, i Fidimiafy Roger Marc, teny Alarobia, omaly. Mba hahazoan’ny mpitondra miroso malalaka amin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena no antony. Telo volana lasa, nisy ny fametrahana filoha vaovao. Nilamina sy nizotra araka ny tokony ho izy ny fiaraha-miasa teo anivon’ny Ceni. Mirary ny mpikambana vaovao hahaleo hahalasa izy ireo, hahatanteraka ny tanjona: fifidianana tsara omana sy andraisan’ny rehetra anjara ary hampisy fitoniana.
Aorian’ny famoahan’ny HCC ny fahitana fototra ny fahabangan-toerana, mandefa fanasana any amin’ireo rafitra rehetra manana solontena ny Ceni hifidy izay ho mpikambana vaovao. Io kosa ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, ny amin’ izay ho tohin’ny raharaha. Handefasana izany ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izay manana solontena ao, ny Holafitry ny mpisolovava, ny Holafitry ny mpanao gazety, ny fitsarana tampony, ny HCC, ny fiarahamonina sivily. Homena 15 andro izy ireo hifidy izay ho solontenany avy. Rehefa vita izay, halefa any amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, hanendreny azy ireo amin’ny didim-panjakana. Aorian’izay, manao fianianana eny amin’ny fitsarana tampony ireo mpikambana vaovao, izay vao manao famindram-pahefana. Mandra-pahavita izany, manohy ny asany ny mpikamban’ny birao maharitry ny Ceni nametra-pialana.
Mbola ho eken’ny fikaonandoham-pirenena ve ny fisian’ny Ceni?
R. Nd.




