Lamina voajanahary no arahina: Fomba fa tsy finoana ny « Taombaovao Malagasy »

Andro voalohany amin’ny volana voalohany amin’ny taona. Tsy ananan’ny firenen-kafa ny fahalalana nentin’ny Malagasy namantatra izany. Niavaka ihany koa ny fomba notanterahiny isaky ny mandalo io fotoana io.

Ny anaran’ny volana no niova nanaraka ny vanim-potoana fa ny tononandro, iray ihany no nambarany. Fahiny, nantsoina tamin’ny « papangolahy lava elatra », « andriamboromahery », sns, ny anaram-bolana malagasy. Taty aoriana, nivoatra ho « volasira », « volambita », « volamaka », sns. Nivoatra ihany ka lasa naka ny anarana « alahamady », «adaoro», « adizaoza », « asorontany », sns. Niova ho « janoary », « febroary », « marsa », « avrily », sns, nanom­boka teo amin’ny vanim-potoana nidiran’ireo mpanjakazaka an-tanin’olona.
Misy ny lamina voajanahary tsy miova amin’ireny volana ireny. Narindran’ny Malagasy hifanaraka amin’izany ny zavatra nataony. Rehefa ma­mony mena, ohatra, ny hasina, mitafy mena ny fody… Tonga ny taom-pahasoavana, satria, vokatra ny nambolena. Miakatra ny vakiambiaty. Mia­dana ny ambanilanitra, sns. Nifaly sy nanao lanonana (firariantsoa, fisantarana…) izy. Mialoha an’ireo ny fandalovan’ny orambe sy ny rivotra mifofofofo mafy. Noraisiny ho fanadiovana (fidiovana, fandroana…) azy sy ny tany onenany ary ny zavaboahary manontolo izany.
Izany hoe, fomba efa fanaon’ny Malagasy hatry ny ela ireo voajanahary ireo (fidiovana, firariantsoa, fisantarana…) … Nezahan’ny Trano Kolotoraly Malagasy novelomina sy novelarina ka nomeny ny anarana « Taombaovao Malagasy ». Ankehitriny, fika­m­banana sy Malagasy maro no resy lahatra sy mifarimbona mamerina sy manatanteraka ireo fomba amam-panao tontosaina amin’ny tonon-taona lehibe tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: