Mandeha miandalana

 

Mandeha tsikelikely ny Fanavaozana. Miditra amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ho tetezana miampita ny fitondram-panjakana. Rava ny governemanta, nametra-pialana tamim-pahendrena ny mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na Ceni. Efa tsy ho ela ihany koa ny ao Tsimba­zaza, raha ny tsilian-tsofina miely. Ho ravana ny Antenimiera!
Zava-dehibe ny fandravana rafitra, fa mbola manan-danja kokoa noho izany ny fihavaozana sy fanavaozana toe-tsaina sy fomba amam-panao. Mahakivy ny mahita ny ady an-tsena eny amin’ny tambajotran-tserasera. Tena hoe nivadika ny rasa. Ilay nilokaloka fanovana fomba amam-panao. Ilay nanebatebaka, niantsoantso fanasaziana indray no nandova ny fikafika masiso.
Tsy mahasakana ny fandaminana ny kianjabe hanaovana fifidianana anefa ny ady seza. Tsy ilaozan’izay olona tena vonona ny hiasa sy hampandeha ny raharaha eto an-tanàna. Firenena mendrika fitiavana madio sy fanavaozana tena izy i Madagasikara. Izay no maha zava-dehibe ny firosoana tsikelikely amin’ny fampiharana ny tondrozotra, na tsy misy milaza ofisialy aza izany.
Tsy afaka ny miverin-dalana intsony i Madagasikara manomboka izao. Efa miditra tsikelikely amin’ny fampihavanana ny mpiray tanindrazana ihany koa izao. Tsy sakana velively ny vava tsy ambina ataon’ny mpanao politika sasany, diso mafana fo loatra. Misy ny mimantsamantsana be fahatany, tsy mahatsiaro tena fa mpitondra ambony sy mpitondra tenin’ny mpiray tanindrazana aminy.
Tsy atao mahamenatra anefa ireny, fa fakana lesona. Natao handinihan-tena amin’ny fahaizana mifampitsinjo satria Malagasy iray ihany. Amin’izao fotoan’ny fanavaozana izao no tokony hahafahana mametraka mazava ny fitsinjaram-pahefana tena izy, mahavaly ny filan’ny isam-paritra. Tsy hisy ny fijery mitanila ka mety hamparary fo ny sasany.

r.r

Partager sur: