Orinasa star : Nitsinjo ny hopitaly HJRA

Mandray anjara feno amin’ny fanamarihana ny Volana natokana ho fankalazana ny zon’ny vehivavy ny andriambavilanitra ao amin’ny orinasa Star. Nanome tanana ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy ireo, ny 11 marsa teo. Nisy ny fanolorana kidoro natao manokana ho ampiasain’ny hopitaly, hanatsarana ny fandraisana ny marary tsaboina ao, amin’ny alalan’ny fitaovana madio, mendrika ary maharitra. Nambaran’ny talen’ny Serasera ao amin’ny Star, Seheno Randriambolamanana, fa « ny fananana fitaovana tsara kalitao no fototra voalohany hisian’ny fitsaboana mendrika ».
Ankoatra izany, nanolotra rano fisotro « eau vive » ho an’ireo marary sy ny mpitsabo ao amin’ny hopitaly ihany koa ny vehivavy Star. Fihetsika tsotra nefa manan-danja tokoa izany ho an’ny marary sy ny mpitsabo. Fantatra fa mitohy hatrany ny fandraisana andraikitra amin’ny asa sosialy sy ny fitsinjovana ny fiaraha-monina sy ny mpiara-belona (RSE) ataon’ny orinasa, manerana ny Nosy.

Njaka A.

Partager sur: