Hotanterahina any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, ao Ibity, ny 19 avrily ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka mitety vohitra sy natiora, “Trail d’Ibity” andiany fahafolo. Toy ny tamin’ny taona lasa ihany, natao hanangonam-bola homena ireo ankizy sahirana ara-tsakafo ny hetsika. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra, mpandray anjara 1 500 eo no andrasana amin’ity andiany ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa mizara telo ny fifaninanana. Misy ny hazakazaka 3 km, ny 15 km ary ny 31 km. Nambaran’ny mpikarakara fa hifarana ny 15 marsa ho avy izao ny fara-fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry ny hahazo fanamiana ofisialy, toy ny T-shirt ary ny 11 avrily kosa ny fe-potoana farany ho an’ireo tsy misitraka izany. Mankalaza ny fahafolo taonany moa izao ny Trail d’Ibity ary miezaka ny manatsara hatrany ny hetsika ny mpikarakara.
Marihina fa anisan’ireo orinasa miara-misalahy amin’ity hetsika ity, ny orinasa Alpha Ciment, ny Yas Madagascar. Manohana ny eo amin’ny lafiny teknika kosa ny Federasionina malagasin’ny Atletisma (FMA).
Fitia Randria




