Hanomboka ny taom-pilalaovana ny Fédération sport-boule de Madagascar (FSBM). Fifaninanana misokatra ho an’ny rehetra no hisantarana izany. Handray anjara amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra. Hahazo lelavola izay laharana voalohany.
Hotontosaina eny amin’ny Kianja Soamandrakizay, Androhibe, rahampitso sabotsy 14 sy ny alahady 15 marsa ho avy izao, ny fanombohana ny taom-pilalaovana 2026 ho an’ny Fédération sport-boule de Madagascar (FSBM). “Grand open” na lalao misokatra ho an’ny rehetra, izany hoe, tsy hitakina kara-pilalaovana. Handray anjara amin’izany avokoa ireo sokajy rehetra ka lalao ho an’olon-telo miaraka no hifaninanana.
Anisan’ny misongadina indrindra ny eo amin’ny Senior, lehilahy. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar sy amboara ary fanomezana izay ho voalohany amin’izany. Medaly volafotsy sy lelavola 750 000 Ar ny faharoa raha 300 000 Ar sy fanomezana ny an’ny fahatelo sy fahefatra. Hanana ny lanjany ihany koa ity fifaninanana ity satria efa tafiditra sahady ao anatin’ny fanomezana isa ireo mpilalao amin’ny fifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena, indrindra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.
Homena amboara telo sy vola 750 000 Ar kosa ny ho tompondaka eo amin’ny sokajy vehivavy sy ny Junior ary ny Vétérans. Medaly sy 300 000 Ar ny faharoa raha 100 000 Ar ny fahatelo sy fahefatra.
Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa hiatrika fifaninanana any Genève, rahampitso sabotsy sy ny alahady, i Zigle sy i Yves Sedrick, Malagasy milalao ao amin’ny klioba Decines Frantsa. Tsiahivina fa fanasana manokana avy amin’ny mpikarakara ny fandraisana anjara ka 24 ireo ekipa nahazo izany. Hifaninana amin’ity avokoa ireo kalaza rehetra toa an’i Dylan Rocher. Hisy koa ny fifaninanana ho an’olon-tokana sy olon-droa, mandritra ny roa andro.
Tompondaka




