Toy ny fanaony isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, tokantrano 350, avy ao amin’ny fokontany Tongarivo, distrikan’Atsimondrano, no nahazo tohana avy amin’ny fikambanana miziolomanina Ahmadiyya, omaly, teny amin’ny moske Tongarivo. “Hetsika efa fanao isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, ny hetsika toy izao. Tsy misy fanavahana sarangan’olona ny fisitrahana ny fanampiana toy izao, fa mariky ny fiombonam-po sy fitiavana ary ny fifampizarana”, hoy ny mpitarika ny Miziolomanina Ahmadiyya, i Ahmad Mujeeb. Mifandraika indrindra amin’ny teny fanevan’izy ireo hoe: “Fitiavana ho an’ny rehetra, tsy fankahalana na iza na iza” izany. Anisan’ ireo tonga teny an-toerana nanome voninahitra sady nankasitraka ny miziolomanina Ahmadiyya ny lehiben’ny distrikan’Atsimondrano. Tsy afa-misaraka fa mifameno hatrany ny fivavahana kristianina sy ireo mpanaraka ny foto-pinoana silamo. Ao anatin’ny karemy rahateo koa isika amin’izao, araka ny fanazavany. Naneho fisaorana ny fikambanana Ahmadiyya koa ny sefo fokontany ao Tongarivo. “Mariky ny firaisankina eo amin’ny sehatry ny finoana ny fihetsika asehon’ny fikambanana miziolomanina Ahmadiyya toy izao”, hoy izy. Marihina fa ankoatra ny ao amin’ny moske Tongarivo, misy hetsika toy izao koa eny amin’ny foiben-toeran’ny Ahmadiyya eny Andavamamba.
Jean Claude




