Mba ho fanavaozana mafy orina sy handraisan’ny Malagasy rehetra anjara no tanterahina, mila mifototra amin’ny fokonolona isika rehetra. Io ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sehatra famerenan-kasina ny fokonolona (SFKF), izay mpandrindra nasionaly, Randrianasoloarimina Tiana, teny Faravohitra, afakomaly, ny amin’ny Fanavaozana ny amin’izao fotoana izao.
Tsy hanome tolo-kevitra ny filohan’ny Fanavaozana momba ny fanendrena izay ho Praiminisitra ny fikambanana Tsy manaiky lembenana, niaraka tamin’ny avy any amin’ny Faritra, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana teo aloha, i Vololoniaina Lucie, teny Ambohitsorohitra, afakomaly. Mankato sy matoky ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny Fanavaozana amin’ny maha raiamandreny azy izy ireo amin’izany.
Voamarina ny vokatra ary miroso amin’ny fanapariahana manerana ny Nosy ny fisoratana anarana biometrika ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Taorian’ny fahavitan’ny dingana andrana tao amin’ny distrikan’ Atsimondrano, nodinihina sy nohamarinina tamin’ny 12 marsa lasa teo ny vokatra azo. Toy izany koa ny dingana manaraka amin’ny fanapariahana ireo kojakoja biometrika amin’ny ambaratonga nasionaly hanatanterahana ny fisoratana anarana manerana an’i Madagasikara.




