Fikambanana mpikabary: Maniry ny hamerenana ny minisitry ny kolontsaina

Mpikabary no tena nahafantarana voalohany ny minisitry ny Kolontsaina sy ny se­rasera teo aloha, Mandrin­drarivony Ogascar Fenosoa. Rariny raha koa ka ireo fikambanan’ny mpikabary maromaro no maniry ny hamerenana azy eo amin’ny toerana, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly, tetsy Analakely. «Tsy mety ny miasa jamba ra­fozana tsy misy sitraka, mankasitraka ny minisitra nandritra ny fotoana fohy nitantanany ny minisitera izahay, tamin’ ireo asa nataony sy natombony. Maniry fa tsy ma­nery, ny hanohizany ny asa. Mbola ilainay anaty ny sehatry ny ko­lontsaina ianao andriamatoa minisitra », hoy Rahajasoa Honoré, na i Hajan’ny Gasy, nisolo tena ireo namany.
Tsikaritra andro vitsy taorian’ny nanafoanana ny governemanta, fa misy fanentanana sy fanetsehana ireo mpisehatra any ambadimbadika any, mba haneho fankasitrahana sy faniriana ny hamerenana ny minisitra teo aloha. Ny mpikabary no nanao fanambarana, fa ireo mpanakanto sa­santsany koa efa nisy naneho hevitra tanaty tambajotra. Tena fahatsapana fetezana hoan’ny sasany, fotoan’ny « fisolelahana » kosa ho an’ny ankamaroany izao. Toa ny fanao mahazatra, mandeha eny ihany ny kajikajy politika arahin’ny totohondry vola, na aty amin’ny sehatry ny kolontsaina aza.

Zo ny Aina

Partager sur: