INDRAY MIJERY

Manambara ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana fa ny zoma 20 marsa 2026, izay andro hankalazana ny Eid Al-Fitr ho an’ireo mpino silamo, dia tsy fiasana fa andraisan-karama manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mihatra amin’ireo toeram-piasana rehetra izany.

Mizara ao amin’ny pejiny ny Holafitry ny farmasianina fa raha te hanokatra farmasia dia mila manana diplaoma dokotera farmasianina Bacc+6. Ny farmasianina ihany no mahazo manokatra farmasia sady tompony. Misy ny lalàna mandrafitra ny sarin’ny farmasia amin’ny toerana iray. Iarahan’ny holafitra sy ny minisitera mandinika ny fanomezana alalana hisokatra.

Ho fiantohana ny kalitaon’ny vaksiny amin’ny alalan’ny fanajana hatsiaka marina hitehirizana azy mandritra ny fitaterana dia notanterahina omaly, tao Toamasina, ny fampiofanana ireo mpamily miandraikitra ny fitaterana izany, avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana.

Partager sur: