“Raha ny tena marina, ny fikaonandoham-pirenena ihany no masi-mandidy amin’ ny fanapahan-kevitra amin’ny zavatra iray. Satria izay no manana ny rariny amin’izay hatao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao tsy ilaozan’ny fitakiana na fangatahana etsy sy eroa. Hohalavaina ve sa hafohezina, ohatra, ny fe-potoam-piasan’izao fitondrana Fanavaozana izao? Manaraka: misy rafitra ve, ohatra, voalaza ny momba ny Ceni: na hohatsaraina na haverina amin’ny minisiteran’ny Atitany ny fikarakarana fifidianana? Ny fikaonandoham-pirenena no hanapaka ny amin’izay.
Ny fitondram-panjakana no nanao ny tondrozotra na fandaharanasa natolotra ny Sadc. Napetraka amin’izany fa tsy maintsy hisy ny fikaonandoham-pirenena. Izay no masi-mandidy. Tsy hanavahana izany. Ao avokoa na ny antoko politika, na ny fiarahamonina sivily, na ny tanora… Maro izay fikaonandoham-pirenena efa natao izay. Aoka kosa mba tena hoe entina hamaranana ny krizy, satria matetika miverimberina izay. Mba hapetraka haharitra holovain’ny taranaka ny vokatry ny fikaonandoham-pirenena. Hialana koa amin’ny krizy miverimberina… Tsy vahaolana ny fifidianana, izay matetika mitarika olana eto amin’ny firenena. Satria misy mihevitra fa milamina ny zava-drehetra rehefa mandeha ny fifidianana. Tandremana fa saika krizy aorian’ny fifidianana no nitranga teto. Izay no tokony hanaovana fanovana. Mba handraisana ny hevitry ny Malagasy rehetra àry ny fikaonandoham-pirenena. Hametrahana izay rafitra tena mety amin’ny firenena izany: lalàmpanorenana manao ahoana no miteraka filaminana sy fandrosoana?
R. Nd.




