“PFL” – As Ste Anne sy CFFA : Hifandona ny samy Atsimondrano

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro fahavalo sy fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Pureplay Foot­ball League (PFL)”. Ani­san’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ny alahady ho avy izao, etsy Iavoloha, ny fihaonan’ireo samy Atsimondrano: As Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta tany amin’ny lalao mandroso, nisaraka ady sahala 1 no ho 1. Marihina fa samy mbola manana herijika ny hiatrika amin’ny dingana manaraka “Play off” ny PFL ny roa tonta. Mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny Vondrona atsimo ny As Ste Anne, manana isa 14, fahadimy kosa ny CFFA, isa 11. Ankoatra izay, mbola hanamafy ny toerany eo amin’ny laharana voalohany, anio, ao amin’ny Kianjan’ ny Velodrome Antsirabe, ny Disciples FC Vakinankaratra. Hifampitana amin’ny CosPN Analamanga izy ireo. Tsy mbola resy mihitsy moa ny ekipa avy ao Vakinankaratra ity, nandritra ny lalao rehetra izay nataony. Ao amin’ny Kaonferansy Avaratra indray, any Toamasina, ny FC Rouge sy ny TGBC Atsinanana no hihaona.

F.R

Partager sur: