SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina eny amin’ny CAI Ambodin’Isotry, ny fifaninanana taranja tsipy kanetibe, ho an’ireo haino aman-jery, “Inter Medias Petanque Cup”, izay kara­karain’ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara, UJSM. 22 ny ekipa mandray anjara, avy amin’ny orinasa mpikirakira vaovao sami­hafa.
Araka ny fikarohana natao, dia nisafidy ny tsy handray anjara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taranja baolina kitra, Mondial 2026, i Iran. Ny minisitry ny fanatanjahantena Ira­ni­anina, mihitsy no nilaza izany. Tsiahivina fa noho ilay ady misy eo amin’i Etazonia sy Israel amin’i Iran, no nahatonga izao fanapaha-kevitra izao.

Partager sur: