Nidina tany Toamasina ny delegasionina notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, ny 6 marsa teo. Fotoana nanehoany ny firaisankina amin’ireo traboina tratry ny rivodoza Gezani farany teo. Nisy ny fanampiana, kojakoja sy zavatra ilaina andavanandro, natolotra ny mponina, niarahana niasa tamin’ny tompon’andraikitra any an-toerana sy ny rafitra mitantana ny loza voajanahary. Miisa 500 ny tokantrano nisitraka ny fanampiana tamin’ny alalan’ny BNGRC, ary 600 fanampiny, nahazo tohana niarahana tamin’ny kaominina an-drenivohitra Toamasina ary ny fokontany Ambolomadinika, parsely 13 21. Miisa 100 ny fitambarana kojakoja (kits) vonjitaitra tany Farafaty (Bassin-drano), toerana misy ny foibem-paritra Airtel any Toamasina. Raha atambatra, miisa 1 200 ny tokantrano nisitraka fanampiana mivantana avy amin’ity orinasa ity.
Nambaran’ny DG, Anne Catherine Tchokonté, fa «misy ny paikady manokana napetraka nanatanterahana ny fanampiana vonjitaitra. Miainga any amin’ny fitsinjovana ny maha olona miafara any amin’ny fanarenana ny fotodrafitrasa simba. Hajaina ny hasin’ny maha olombelona, ny mangarahara amin’ny fanatanterahana ny fanampiana ary ny hiantraikany mivantana any amin’ny mpisitraka».
Nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka any an-toerana. Nisaoran’ny tale jeneraly manokana ny finiavana sy ny ezaka nataon’ny orinasa Network, satria efa niverina amin’ny laoniny sy miasa ny 96% ny fotodrafitrasa simba.
Njaka A.




