Lasibatry ny andian-jiolahy ny fianakaviana miisa telo samihafa, afakomaly, teny Ampangabe Ambohidratrimo. Vehivavy roa maty, notifirin’ny olon-dratsy. Vola telo tapitrisa Ariary no voalaza fa very.
Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana tokantrano ataon’ireo olon-dratsy tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy am-polony indray ny tokantrano miisa telo, tetsy Tsaramasoandro, fokontany Soamanjaka Avaratra, kaominina Ampangabe, distrikan’ Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy 12 marsa, hifoha omaly, zoma 13 marsa 2026. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy sy barre à pince ary antsy lava izy ireo nandritra izany.
Nanesy ny toeram-pivarotana ka nandroba ireo jiolahy. Notapahin’ireo olon-dratsy ny savilin’ny varavaram-by nahafahany niditra tao amin’ny tokantrano iray. Niditra an-keriny, nambanana tamin’ny basy ary noteren’izy ireo hamoaka vola ny tompon-trano. Voaroba nandritra izany, ny volabe mitentina
3 300 000 Ariary. Ankoatra izay, mbola naka entana samihafa toy ny enta-madinika sy sigara ireo jiolahy ireo. Nandeha nanafika tsena iray hafa indray izy ireo taorian’izay, ka voaroba tamin’izany, ny enta-madinika maro tao anatiny. Nitsoaka nihazo trano hafa iray ireo fianakaviana tao amin’io tsena io. Tsikaritr’ireo jiolahy izany, ka narahiny avy any aoriana sy notifirin’izy ireo avy hatrany.
Olona roa namoy ny ainy
Vokany, olona telo nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany mianadahy no voatifitra. Maty tsy tra-drano teo no ho eo ilay tovovavy. Raha namoy ny ainy, teny amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha kosa ilay renim-pianakaviana. Raha ny fanazavana voaray, voan’ny bala teo amin’ny masony io ramatoa io ka antony nahafaty azy. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly kosa ilay zanany lahy, izay anisan’ny voa mafy ihany koa.
Lasa nitsoaka ireo jiolahy taorian’ny asa ratsiny. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nentina nihazo ny hopitaly ireo naratra.
Efa lasa nitsoaka avokoa ireo jiolahy vao tonga ireo zandary miasa eny an-toerana, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mponina. Miaina tanteraka ao anatin’ny horohoro sy ny tahotra, araka izany, ny mponina eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Nambaran’ireo mponina fa tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny fanafihana ny tobin’ny zandary.
Mino




