Zon’ny vehivavy : Nijoro ny tambajotran’ny mpisolovava

Nanatanteraka hetsika iraisam-pirenena teto an-dRenivohitra momba ny zon’ny vehivavy ny Nifin’Akanga. Nizara telo ny asam-bondrona tamin’izany.

Nidinika niaraka ny mpitondra fivavahana sy ireo oloben’ny fiarahamonina momba ny fahitan’izy ireo ny zon’ny vehivavy sy ny finoana. Voaresaka tao ny fa­nolanana, araka ny voalaza ao anatin’ny Baiboly sy ny Coran. Tao koa ny fanapahan-kevitra tokony horaisina manolona ny filazana fa ny mpitondra fivavahana sy ny fivavahana no tsy manaiky fampitsaharana ny vohoka. Satria, tsy mifanaraka amin’ny fivavahana sy ny fom­ba fisaina malagasy izany. Niasa mom­ba izay izy ireo ary ha­moaka torolalana hozaraina amin’ny rehetra, araka ny fa­na­zavan’ny mpanorina ny hetsika Nifin’Akanga, Raveloarimisa Mbolatiana.
Ireo mpisolovava sy ny mpitsara kosa hivondrona hametraka tambajotra hiaro ny zon’ny vehivavy sy hanosika ny fanovana ara-dalàna amin’ny fiarovana izany. Adi­hevitra hitondra fivoarana ha­natsarana izany zo izany no niseho tao anatin’ny oniversite feminista.
Nisongadina tamin’ny firenena afrikanina sy aty amin’ny ranomasina Indianina nanatrika ny fivoriana fa i Madaga­sikara irery no tsy manaiky ny fampitsaharana vohoka noho ny antony medikaly (ara-pahasalamana). Rehefa nozohina anefa ny Baiboly sy ny Coran ary ny soatovaina malagasy, mipetraka ny hoe zava-dehibe ny fiarovana ny vehivavy mila fampitsaharana ny vohoka ara-medikaly.
Nahafahana nijery amin’ny fomba miabo sy fijery maro samihafa ny ady tokony hatrehina (ho an’ny zon’ny vehivavy) ny fandraisan’i Madaga­sikara ny fivoriana iraisam-pirenena voalohany momba ny rariny ara-tsosialy manome lanja ny vehivavy. Indrindra indrindra ny fampitsaharana ny vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG). Na­nana fitaovana entina hiady hevitra handresy lahatra ireo tokony hanova lalàna ny mpivory.

Vonjy

Partager sur: