Lohahevitra manan-danja 5 no niaraha-nidinika nandritra ny Conférence des présidents des universités (CPU) élargie. Niarahana tamin’ny Pr Andriamaniraka Jaona Harilala, sekretera jeneralin’ny Mesupres sy ireo filohan’ny oniversite manerana ny Nosy ary ireo tale jeneralin’ny IST izany.
Fantatra, tamin’izany, fa efa nifarana ny fisoratana anarana ary efa nahavita ny “Commission de bourse” ny ankamaroan’ireo Oniversite mahakasika ny fangatahana vatsim-pianarana. Ireo mpianatra misoratra anarana ara-dalàna ihany no mahazo vatsim-pianarana, ary vatsim-pianarana iray ihany no azon’ny mpianatra iray raisina na dia mianatra amin’ny Oniversite maro aza. Hirosoana tsikelikely ihany koa ny fampiharana ny “bourse d’excellence”, ho fanohanana ireo mpianatra mendrika sy mampiseho fandrosoana eo amin’ny fianarany.
Nampahatsiahivina fa dimy taona ihany no faharetan’ny «Habilitation». Entanina ireo toeram-pampianarana ambony rehetra hanatanteraka na hanavao ara-potoana ny fangatahana fankatoavana ananany, ho fanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana. Etsy ankilany, hanamafy ny fanamorana ny fomba fiasa sy hanafaingana ny fikirakirana ny antontan-taratasy ny minisitera, saingy ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanajana ireo fepetra takina. Ho an’ireo efa nahazo fankatoavana nefa mbola tsy nahazo ny “arrêté”, afaka manome “attestation” azy ireo ny minisitera.
Tatiana A




