Depiote Randrianasolo Nicolas : “Azo atao ny mitsikera fa tsy miteniteny foana…”

Naneho ny heviny momba ny fahitany ny raharaham-pirenena ny depiote Randrianasolo Nicolas. Azon’ny mpanao politika atao ny mitsikera. Tsy tokony hiteniteny foana kosa anefa momba ireny dian’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, tany ivelany ireny.

“Sarotra ho ahy ny hangina manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra ny fa­nenjehana ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara (PRRM), ny Kly Randrianirina Michaël. Ma­hazo miteny izay tiany ho tenenina ny mpanao politika na mitsikera fa tsy miteniteny foana, indrindra momba ireny diany tany ivelany ireny”, hoy ny fanazavan’ny depiote Ran­drianasolo Nicolas. Nitodika manokana tamin’ireo GenZ ity mpanao politika ity ka nametra-panontaniana hoe: “ Inona no tena tadiavinareo GenZ? Tsy hainareo ny tena niaingan’ny GenZ?”. Nambarany fa tsy izay miteny etsy sy eroa no atao hoe GenZ. “Mpikarama an’ady ianareo GenZ fa tsy tia tanindrazana araka ny tolona natao teny an-kianja. Toy ny manao fandrahonana amin’ny fanjakana ianareo”, hoy izy. Nohamafisiny hatrany ny antso amin’ny mpitondra fanjakana, izy tokony ho mafy, satria olon’ny fitondrana teo aloha ihany ireto mitonona ho GenZ ireto. “Mafy ny seraseran’ny filoha telo aloha, Andry Rajoelina, ka tokony hafainganina ny fanadihadiana azy. Tsy tokony hitsoaka izy raha tena nadio ny fitantanany ny firenena”, araka ny nambarany ha­trany.

Aleo ny Filoha handinika

Tsy mifanaraka amin’ny sata maha miaramila sy amin’ny maha dokotera azy ireny fihetsika ataon’ny Kly Rako­tomamonjy Patrick ireny. Niantso ny filohan’ny Fana­vaozana izy hifidy tsara izay olona hiaraha-miasa. “Aleo izy handinika izay olona tiany tendrena ho Praiminisitra. Mam­botry firenena ny ataon’ny politisianina sasany eto amintsika. Tokony hieritreritra isika fa tsy ny hanakorontana fo­ana”, hoy hatrany ity olom-boafidy ity.
“Ny fijoroan’ny Kly Ran­drianirina Michaël no nampirodana ny fitondrana Rajoelina. Noho izany, andraiso fepetra ireo olona manao sy/na minia manao fanakorontanana eto amin’ny firenena”, raha ny nambarany hatrany. “Tsika­ritra fa tena mangina tsy miteny ireo manamboninahitra efatra mpanolotsaina ny filoha, nefa tokony mba hijoro hanohana ny fitondrana izy ireo”, hoy izy namarana ny tafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antani­narenina, omaly.

Jean Claude

Partager sur: