Famerenana fifidianana : “Miankina amin’ny finiavan’ny fanjakana”

“Tsy ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra ihany no haverina ny fifidianana, fa misy maromaro. Miankina ny finiavana sy ny fahafaha-manaon’ny fanjakana io.” Izay ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Name­arison Robert, tany Moron­dava, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny famerenana fifidianana kaominaly amin’ny ampahany. Raha ny fanazavan’ny Ceni, tsy azo tanterahina ny famerenana ny fifidianana raha tsy aorian’ny sivy volana. Nefa miankina amin’ny tetibolam-panjakana izay.
Mba tsy hampitarazoka ny raharaha, tsara ny fanendrena filohana delegasionina manokana (PDS). Izay ny mora indrindra amin’izao toe-draharaha izao. Marina fa tsy demokratika izay. Amin’ny kaominina tsy misy PDS sady tsy misy ben’ny Tanàna no isiana fanararaotana be indrindra ary mampijaly ny olom-pirenena amin’ny fisitrahany ny zony. Iza no manao inona eny amin’ny kaominina? Tsy misy mpanao sonia: ahoana ny karaman’ny mpiasa, ahoana ny raharaha andrasan’ny olom-pirenena amin’ny kaominina… ? Ny fanendrena PDS no fanapahan-kevitra tsara indrindra dia manomana fifidianana. Raha ny toe-draharaha teo aloha, tapitra ihany ny fe-potoam-piasana fa tsy nisy fifidianana naverina. Tsy misy PDS sady tsy misy ben’ny Tanàna ny kaominina tokony hamerenana fifidianana. Tokony hazava ny fanjakana amin’izay ataony ny amin’izay: tena hamerina fifidianana ve? Aleo lazaina… Na aleo tendrena ny PDS.
Efa herintaona aty aoriana vao mivoaka ny fanapahan-kevitra. Lasa mampiahiahy ny amin’ny tsy fitanilan’ny fitsarana izany. Tena ao anatin’ny fahaleovantena ve ny fitsarana? Tsy manontany ny amin’izay fanapahan-kevitra mivoaka, fa ny fotoana namoahana an’izay. Nivoaka ve, ohatra, izay didy izay, raha tsy niongana ny fitondrana teo aloha?

R. Nd.

Partager sur: