FANTINA sy FINTINA

Kaominina miisa 24 no namoahan’ny fitsarana didy hamerenana fifidianana amin’ny ampahany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy didim-panjakana miantso mpifidy hamerenana fifidianana.

”Raha ianareo no manaiky ho vidian’ny olona vola 150 000 Ar dia midina an-dalambe”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny fitokanana ny oniversiten’Itasy, ny faran’ny herinandro. “Takio raha misy tsy feno ny amin’ny fianaranareo. Zonareo izany. Aza manaiky ho voavidim-bola hamadihana ny tanindrazana”, hoy izy.

Tokony hilaza ampahibemaso ireo mpitondra amin’izao fa tsy hirotsa-kofidina, araka ny nambaran’ny fiarahamonina sivily, Hetsika Rohy, teny Ambatonakanga, ny faran’ny herinandro teo. Tokony hazava ny rafitra sy ny fe-potoana ary ny tanjon’ny fitondrana Tetezamita. Izay no hisian’ny fitokian’ny olom-pirenena sy ny fitoniana eto amin’ny firenena.

Tsy vahaolana ny fametraham-pialan’ny Ceni, izay mila foanana ary haverina any amin’ny Atitany ny fikarakarana fifidianana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fivoi, ny depiote Rajerison Antoine, ny faran’ny herinandro teo. Praiminisitra mitondra fitoniana sy fiovana no ilaina: teknisianina mahafehy ny fitantanam-panjakana sy ny toekarena ary eken’ny rehetra.

Partager sur: