Nanazava ny paikady fizarana ny fanampiana ho an’ireo traboina any Toamasina ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Mahakasika ireo sorabola fanampiana nolazain’ireo firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara sy ireo vola nanaovana fanampiana dia fantatra fa tsy mbola nandrotsaka izany ny ankamaroany.
Tsy mitantana ny vola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka (PTF) ny BNGRC fa ny fandrindrana ankapobeny no ataony. Mbola vola voafaritry ny tetibolam-panjakana natokana hiatrehana ny loza voajanahary 2026 no nampiasaina hatreto.
Ny fizarana ireo fanampiana ara-tsakafo, vary manodidina ny 1 150 taonina no efa notsinjaraina tao anatin’ny distrikan’i Toamasina I sy II, ankoatra ireo sakafo samihafa toy ny voamaina sy menaka. Ireo fitaovana samihafa mifandraika amin’ny fahasimbana, toy ny fanitso, dia maro no efa natolotry ny BNGRC hanarenana ireo sekoly.
Tranolay maherin’ny 700 no nozaraina. Mbola an-dalana ny fizarana ireo kojakoja samihafa toy ny koveta, zinga, seau, fanomezana avy amin’ny mpiray tanindrazana sy ireo malala-tanana.
Tatiana A




