Dimy andro taorian’ny fandravana ny governemanta, tafapetraka amin’ny toerany ny praiminisitra faharoa, hiandraikitra ny fanavaozana. Notendren’ny kolonely Randrianirina Michaël, hiara-mitantana ny mpanatanteraka aminy, Rajaonarison Mamitiana Jeannot.
Efa alina, omaly, nivoaka ny anaran’izay ho praiminisitra faharoa, hitantana ny fahefana mpanatanteraka miaraka amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nametrahany fitokisana Rajaonarison Mamitiana Jeannot. Tale jeneraly am-perinasa misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola na Samifin. Izy no praiminisitra faha-31, eto Madagasikara. Efa manam-pahaizana manokana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana izy, ankoatra ny siansa politika. Manamboninahitra ambony tao amin’ny Zandarimariam-pirenena, nametra-pialana koa ny praiminisitra vaovao.
Fepetra notakin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny fametrahana Praiminisitra eken’ny besinimaro sy ankatoavin’ny ankolafin-kery rehetra. Namoaka ny heviny rahateo ny Vondrona afrikanina, afakomaly. Niteraka ahiahy tamin’izy ireo ny fandrodanana ny governemanta. Saingy, mba hahafahana manaja ny tetiandro voarakitra amin’ny tondrozotra dia mampirisika governemantan’ny marimaritra iraisana izy ireo.
Tsy mpanara-drenirano
Nandritra ny lahateny fohy nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, teo am-piandohan’ny lanonana nametrahana ny Praiminisitra vaovao fa mila olona tsy mpanara-drenirano izy. Antony manokana nisafidianana azy ny fahasahiany nametra-pialana tsy ho zandary intsony, nanoloana ny tsindritsindry nataon’ny lehibeny tamin’ny fotoan’ny Tetezamita 2009.
Manamboninahitra, manana ny maha izy azy rahateo, teo anivon’ny zandarimaria, izy. Sady sivily no miaramila. Mahafeno ny fepetra iatrehana ny krizy misy eto amin’ny firenena. Andrasana, araka izany, izay ho firafitry ny governemantany.
r.r




