Horizon Madagascar : Hampiofana momba ny fikarakarana hetsika

Tokony ho matihanina avokoa ireo mpisehatra amin’ny fi­karakarana hetsika ara-javakanto. Antony iray nananganana ny tetikasa «Horizon Mada­gascar» izany. Ry zareo avy ao amin’ny Nas Production no hi­sahana izany, izay efa natombok’izy ireo tamin’ny fampiharana nandritra ny fandalovan’ireo mpanakanto maromaro, avy any ivelany. Hi­to­hy indray izany, ma­nodidina ny seho izay hotontosain’i Gazo sy i La Fouine eto Ma­dagasikara, ny 10 avrily ho avy izao.
Miantso ireo tanora, nandranto fianarana manodidina ny zavakanto sy ny fikarakarana hetsika, na ireo maniry te hilomano anatin’ny sehatra izy ireo. Hianatra momba ny fanomanana, ny fandaminana, ny fampitaovana, ny serasera, ny fikarakarana ny lafiny ara-panjakana ary ny fanatontosana ny hetsika amin’ny fotoan’androny ireo mpiofana. Zava-dehibe ho azy ireo ny fahafahana misitraka ny hetsika lehibe amin’io fampisehoana ny 10 avrily io.
Hanaporofoana ihany koa ny fiofanana fa misy sady maro ireo asa manodidina ny zavakanto. Tsy ireo mpanakanto ihany no mpisehatra, fa rafitra iray manontolo no mivelona manodidina izany. Efa miroso tsikelikely amin’ny sehatra ma­tihanina ny mozika eto Mada­gasikara, sampana iray anatin’ ny zavakanto. Tsy voalohany akory ny mpikarakara no nanao ny fiofanana, ary ma­nomboka hita taratra ny fiantraikany tsara eo amin’ny sehatry ny fikarakarana fampisehoana.

Zo ny Aina

Partager sur: