Azo atao eny amin’ny CSB II ny “visite médicale” ho an’ireo mpiadina hanala bakalorea. Ny volana avrily no fe-potoana farany handefasana fangatahana fanokafana ivontoeram-panadinana vaovao ary ireo mahafeno ny fepetra takina ihany no ekena, raha ny fanazavan’ny Mesupres
Voaresaka nandritra ny CPU ny kalitaon’ny fanoratana «mémoire». Nentanina ny Oniversite hametraka rafitra fanaraha-maso manoloana ny fampiasana ny Ilontsaina artifisialy (IA) satria efa tena mirona amin’ny fampiasana izany ny mpianatra ka tsy voatrandraka intsony ny tena fikarohana ataony
Mitohy ny fanadihadiana sy ny fandraisana ny momban’ireo tena marefo noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani any Toamasina. Hahafahana mitondra fanampiana manokana ho azy ireo izany, raha ny fanazavana nentin’ny BNGRC. Mahakasika ireo tolotra fanampiana rehetra kosa, tokony hisy fampahafantarana ny ivontoerana manokana izany alohan’ny hizarana ahafahana manao ny fandrindrana.




