Pureplay Football League : Voatazon’ny CosPN ny Disciples

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahavalo sy fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­ga­sikara, “Pureplay Football League (PFL)”. Nosahiranin’ny CosPN Analamanga ny Disciples Fc Vakinankaratra, ny asabotsy teo, tany Antsirabe. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta. Marihina fa ny ekipan’ny Polisy nasionaly no nitarika 1 no ho 0, tamin’ny alalan’i Bevardo, izay vao nanasahala i Fabrice, lohalaharan’ny Disciples, tany amin’ny minitra faha-57 nilalaovana. Nijanona tamin’io ny isa na teo aza ny baolina tokony ho tafiditr’i Tinoh sy ry Fely.
Ankoatra izay, resin’ny AS Ste Anne, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny CFFA Andoharanofotsy, omaly, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha. Marihina fa ny klioban’Andoharanofotsy no ni­tarika tamin’ny isa 1 no ho 0 voalohany, ary izao nitsimbadika ho 2 no ho 1 izao ny vokatra. Ity izany no faharesena faharoa azon’ny CFFA, tamin’ity fifanandrinana miverina ity. Raha tsy misy ny fiovana farany, hifandona amin’ny Disciples FC, any Antsirabe, ny AS te Anne, ny faran’ny herinandro ho avy izao.

F.R

Partager sur: