Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafito fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina lavalava. Mipetraka ho mpanjakan’ny kartie amin’ity taranja ity izany ny CEA Andranomanalina, rehefa nandavo ny FTM Manjakaray, tompondakan’ny “XXL Top 12” farany teo, tamin’ny mokafohy, 29 no ho 28. Raha iverenana kely ny fifanandrinana, ny mpilalaon’i Manjakaray no nahatsindry ny baolina voalohany, tamin’ny alalan’i Koroka, teo amin’ny minitra fahafito nilalaovana. Taorian’io, nampitovian’i Romeo ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nifandimbiasana ny fifanafihana, saingy nanantombo tamin’ny haavo teknika ny Manjakaray, ka lasa 15 no ho 5 ny isa teny amin’ny solaitrabe, nitarika ny FTM, ary io isa io no nentina niala sasatra.
Tao anatin’ny fidirana faharoa, nanenjika ny isa ry Mika sy i Laou, lasa sahala, 15 no ho 15, ny isan’izy ireo, ny faha- 47 min. Taorian’io nefa, nahavita drops i Koroka, ny faha-51 min, ary nahatondra baolina nentin-tanana i Jonathan, Manjakaray. Nitarika tamin’ny isa 28 no ho 22 ny FTM teo. Tsy mbola nilavo lefona ny CEA. Vokatr’izany, nahatsindry baolina teo akaikin’ny haitso i Laou ary voatsaran’i Mika izany, lasa 29 ny isa ho an’ Andranomanalina.
Nijanona tamin’ny io isa 29 no ho 28 io ny fifanandrinan’ny roa tonta, resy ny FTM Manjakaray. Lasa eo amin’ny laharana faharoa izany ny CEA ary fahatelo ny ekipan’i Manjakaray.
Fitia Randria




