Tongo-bakivaky… Mifanipa-kevitra ireo misora-tena ho andriana merina. Tsy manaiky ny maha mpanjakan’i Madagasikara an’i Ndriana Rabarioelina ny taranaky ny andriamanjaka. Resaka fandravana ny «Kianja Masoandro» hatrany…
Toy ny valala an-karona. Izay aloha no zava-misy iaraha-mahalala, nohamafisin’ny fanambarana nataon’ireo vondron’olona milaza fa taranaka andriana mivondrona anatin’ny Vovonan’ny taranaky ny andriamanjaka eto Imerina. Niakatra teny amin’ny Rovan’ Antananarivo izy ireo, omaly, saingy tsy nahazo alalana hiditra tao. Nisy ny fanambarana nataon’ny vondrona taorian’izay, izay nanamafy ny fisaraham-bazana efa tsy takona nafenina hatrizay.
“Mahakasika ny taranaky ny andriamanjaka ihany koa ny fanadiovana. Ilaina ny hahafantaran’ny vahoaka eto Imerina fa izahay taranaka andriana mivondrona ato amin’ny vovonan’ny taranaky ny andriamanjaka eto Imerina, mahasolo tena ny andriana isan-tokony, dia tsy mbola nanendry olona ho lasa mpanjakan’Imerina, na mpanjakan’i Madagasikara. Noho izany, tsy eken’ny taranaka andriana, tsy nahazo ny tsodranon’Andriamanitra Andriananahary ary tsy nahazo ny tsodranon’ny razana sy ny zava-masina ambony i Ndriana Rabarioelina. Fisolokiana sy fisandohana ny fiziriziriany ho mpanjaka, ary fisandohana andraikitra koa ny maka ny toeran’ny vondrona amin’ny fandravana ny Colisée», hoy ny votoatin’ny fanambarana nataon’ireo avy amin’ny vovonana.
Raha iverenana ny zava-nitranga vao haingana, nisy ilay nolazaina fa «vava asa», ho fandravana ny Kianja Masoandro, nahazo anarana koa hoe «Colisée», ao Anatirova, ny zoma teo. Rehefa tontosa izany vao nantsoina hiakatra teny ny mpanao gazety, ka nambara fa nanatontosa ny didy navoakan’ny Fitsarana ireo olona ireo, ary nankatoavin’ny minisitean’ny Kolontsaina sy ny serasera. Nambara koa fa tamin’io ny fotoana «voatondro sy mety», ho fanombohana izany fandravana izany.
Omaly kosa, nilaza ireo ao amin’ny Vovonan’ny taranaky ny andriamanjaka eto Imerina fa tsy avy amin’izy ireo ny nanatontosa izany. Ho azy ireo, mazava loatra fa avy amin’ny Rev Ndriana Rabarioelina, izay nanizingizina koa fa efa nosorana ho mpanjakan’i Madagasikara, ny taona 2015, lehiben’ ny Fianakaviamben’ny andriana merina, ary lehiben’ny fianakaviamben’ny mpanjaka eto Madagasikara…
Zo ny Aina




