Nanao tombana ny efa-bolana niasan’ny minisitra teo aloha ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tombanana ho tafapetraka ny vato fototry ny fanavaozana amin’ny ezaka vita teo amin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana.
Anisan’izany ny famaliana ny fangatahan’ny mpiasan’ny Fahasalamana nandritra ny tolona, toy ny fampisitrahana ny tambin-karama isan-karazany. Teo koa ny famahana ny olana nateraky ny famindran-toerana tsy ara-drariny.
Tafapetraka ny ivontoerana fanaovana dialyse eny amin’ny renivohi-paritany. Nisy ny fanohanana ara-bola ny CSB manerana ny Nosy sy ny fanomezana asa ho an’ireo paramedy nivoaka tamin’ny sekoly ambony tsy miankina.
Teo koa ny fitsaboana maimaimpoana ireo sokajin’olona marefo, toy ireo manana aretina mitarazoka sy ireo zaza latsaky ny 5 taona.
Manaporofo ny finiavana sy ny fanoloran-tena ataon’ny mpiasan’ny Fahasalamana ireo asa efa natomboka. Nametrahana, ihany koa, fototra ho an’ny rafi-pahasalamana matanjaka sy manakaiky vahoaka.
Tatiana A




