Fampitiavana ny vakiboky: Haverina sy havaozina ireo Clac

Niato nandritra ny 6 taona. Fantatra kosa izao fa hiverina hisokatra avokoa ireo Centres de lecture et d’animation culturel (Clac), na ireo ivontoerana famakiam-boky sy fampiroboroboana ny vakiboky, eny anivon’ireo kaominina ambanivohitra miisa 17 nisitraka izany. Izay ny votoatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera sy ny Organisation internationale de la Francophonie na OIF, oma­ly, tetsy amin’ny Tra­nom­bo­kim-pirenena Anosy.
Tsy haverina hosokafana fotsiny fa havaozina ihany koa ireo Clac. Voakasik’izany ny lafiny fampitaovana, indrindra ny mahakasika ireo fitaovana niomerika izay mamaly ny filan’ny mpisitraka. Ireo ankizy sy tanora mpianatra no tena hahazo tombony amin’ny fisian’ireo Clac, satria misitraka loharanom-pahalalana toy ireo namany akaiky tranomboky aty an-dRenivohitra izy ireo. Nohamafisin’ny ben’ny Tanànan’Arivonimamo, nandritra ny fandraisam-pitenenany izany tombontsoan’ny mpianatra any ambanivohitra izany.
Manana ny tambajotra Clac maro indrindra amin’ireo firenena miara-miasa amin’ny OIF i Madagasikara. Tsapa anefa fa tsy mbola ampy izany, satria 27 fotsiny ireo ivontoerana ireo, amina kaominina 17. Tsy anjaran’ny OIF irery anefa ny fampiroboroboana ny vakiboky manerana ny Nosy. Tena andraikitra feno tokony hiantsorohan’ny minisitera misahana ny kolontsaina izany, tsy voatery iandrasana mpamatsy vola. Fara faharatsiny tokony hanana trano famakiam-boky iray isaky ny distrika, izay ahian’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara.

Zo ny Aina

Partager sur: