Fampitsaharana ara-medikaly ny vohoka: Tsy voaaron’ny lalàna ireo doko­tera sy mpiasan’ny Fahasalamana

Maro ny vehivavy manana fahasarotana rehefa mitondra vohoka ka tonga amin’ny tsy maintsy hampitsaharana izany mihitsy ho fiarovana ny ainy. Mahatsiaro tena ho tsy voaaron’ny lalàna nefa ny dokotera manao ny asany.

Mbola enjehin’ny lalàna eto Madagasikara ny tranga fanalan-jaza. Misy anefa ny vonjy aina mitaky maika ny fampitsaharana ara-medikaly vo­hoka. Noho ny fahasarotana miseho mandritra ny fitondrana vohoka, mila raisina ny fanapahan-kevitra. Rehefa hi­tan’ny dokotera fa mety hamo­izana ny ain-dehibe raha mitohy ny fitondrana izany dia atao haingana ny fampitsaharana ny vohoka.
Eo indrindra no tena sarotra ho an’ny mpitsabo. Maha­tsiaro ho tsy voaaron’ny lalàna izy ireo. Raha misy ny fitoriana ataon’ny marary mahakasika izany dia miraviravy tanana ny mpiasan’ny Fahasalamana.
Maro ny manafangaro ny fampitsaharana ara-medikaly ny vohoka amin’ny tranga fa­nalan-jaza tsotra miseho eny anelakelan-trano.
Ankoatra izay, Eo ihany koa ny tranga tena mitaky fanalan-jaza toy ireny olona voaolana ireny izay nitondra vohoka tsy fidiny. Tsy safidy akory ny mbola hiteraka ary azo tamin’ny olon-dratsy, tsy faka taranaka akory.
Tokony hojerena ny momba ireo tranga fanolanana mila izany fanalan-jaza izany. Lasa miteraka zaza tsy nirina ilay reny ka mety ho ariany fotsiny ilay sombin’ny ainy, izay mahatonga vesatry ny fiarahamonina avy eo, raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpian­tsehatra ao anatin’ny mpandala ny zo amin’ny fahasalamana ara-pananahana.
Manoloana ireny tranga ireny, manao antso ny amin’ny tokony hanavaozana ny karazan-dalàna sasantsasany ny mpiasan’ny Fahasalamana hifanaraka amin’ny vanim-potoana sy hiarovana azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany. Toraka izany koa ireo mpiantsehatra amin’ny fisitrahana ny zo ara-pananahana mba hijery akaiky ny fandinihana ny lalàna mahakasika ny fanalan-jaza.

Tatiana A

Partager sur: