FANTINA sy FINTINA

Nodimandry teo amin’ny faha-67 taonany ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, Randria­mandrato Richard. Efa minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy, ary kandidàn’i Madagasikara ho filohan’ny Vaomiera afrikanina. Manampahaizana manokana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fitantanam-bola ny tenany.
Tokony heverina ny hamerenana ireo mpanolotsain’ny Tanàna eo anivon’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko Tim, Rava­lomanana Marc, teny Antanetikely Vontovorona, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Andrasana ny didim-panjakan’ny governemanta vaovao amin’ny hanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tao amin’ny RNM, tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Efa vonona ny tetiandro sy ny tetibola ho amin’izany.
Hanao tatitra momba ny fitantanam-bolam-panjakana, taona 2025, eny amin’ny fitsarana momba ny kaonty, Anosy, ny fitsarana tampony momba ny kaonty ny 19 marsa ho avy izao. Asainy hanatrika izany ny besinimaro, ary azo arahina mivantana amin’ny tambajotran-tserasera sosialy ny tatitra.

Partager sur: