INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanohanana ny vahoakan’i Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Ankoatra ny fizarana sakafo tsy misy fiatoana, efa niverina ny fizarana lelavola sy ny asa atakalo vola amin’izao fotoana izao. Araka ny masontsivana apetrak’ireo mpamatsy vola, laharam-pahamehana ireo zokiolona marefo, sembana ara-batana, ireo olona manana aretina, ireo tokantena, ireo mitaiza zaza sy ireo sokajin’olona marefo hafa. Tokantrano miisa 19 670, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina I, no efa nisitraka lelavola 280 000 Ar avy amin’ny Fid.
Tombanana hisy orana tandrifin-drahona mitsitokotoko any amin’ny ilany afovoany andrefana sy ny atitany atsimo andrefan’ny Nosy. Hahakasika toerana maro izany manomboka rahampitso ary hiitatra miandalana amin’ny afovoantany sy ny atitany atsimo, any amin’ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 11-27 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 24-38 °C ny tolakandro. Entanina ireo marefo ara-pahasalamana mba hitandrina manoloana ny fiovan’ny maripana izay manomboka midina miandalana.
Rahampitso ny Andro maneran-tany ho an’ny “Schizophrénie”. Natomboka ny 14 marsa lasa teo ary hifarana ny 21 marsa ho avy izao ny fankalazana izany. Ny lohahevitra tamin’ity taona ity dia ny hoe “dévoilement” na fampisehoana izay mankahery sy manentana ireo olona miaina schizophrénie. Tanjona ny haneho hevitra ankalalahana tsy misy tahotra sy henatra amin’ny fiatrehany ny aretina. Eo koa ny hanenana ny fanavakavahana sy fanilikilihana ary hampahafantarana antsika fa afaka miaina toy ny olon-drehetra izy ireny.

Partager sur: