Mpitsabo eto Madagasikara : Miantso hanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana

Naneho ny fahavononany handray anjara amin’ny fanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ireo mpitsabo, malagasy, nandritra ny fihaonambe nataon’izy ireo tetsy Antaninarenina, ny 13 marsa lasa teo. Tanjona ny hananganana rafitra ara-pahasalamana marina, ma­homby ary manaja ny matihanina amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Mbola maro ireo olana sedrain’ny mpitsabo ankehitriny. « Sahirana ny ankamaroan’izy ireny any amin’ny toeram-piasany avy any satria mbola maro ny tsindry ara-politika », hoy Dr Randriami­arinjato Rija, mpitondra tenin’ny mpitsabo. Nambarany fa lasa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny fianarana norantovina ny fisehoan’ny fitsaboana. Mifama­totra tanteraka amin’ny fanekena sy fanandratana ny hasin’ny mpitsabo ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny fiarovana ny marary.
Maro, araka izany, ny fanapahan-kevitra notapahin’izy ireo nandritra io fivoriana io. Tokony hatsaraina ny fitantanana ny sehatry ny fahasalamana. Ilaina hamafisina ihany koa ny firaisankinan’ny mpitsabo ary ny hampitomboana ny anjara toeran’izy ireo amin’ny fanapahan-kevitra mom­ba ny fahasalamam-bahoaka. Ankoatra izay, takin’izy ireo ny fitantanana mangarahara sy matihanina
Miantso ny mpitondra fanjakana, noho izany, izy ireo mba hanamafy ny fitantanana ny sehatry ny fahasalamana amin’ny fanajana ny lalàna, ny fahaiza-manao ary ny mangarahara. Notsikerain’izy ireo ny fomba fanao toy ny kolikoly, ny fanavakavahana ary ny fampidirana politika amin’ny fitantanana izay mety hanimba ny politikam-pahasalamana. Nohamafisin’izy ireo ny hanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana, hanazavana ny andraikitra sy hanatsarana ny fandrindrana ny asa eo amin’­ ireo isan’ambaratonga.

Mino

Partager sur: