RR36 : Harenina ny lalana Mahitsy-Farahantsana

Mandeha ny asa fanarenana ny lalam-paritra RR36, mampitohy an’i Mahitsy sy i Farahantsana.

Efa ela no nampikaikaika ny rehetra ity lalana ity, noho ny fahasimbana sy ny fahatereny. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny zoma 13 marsa teo, ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Asa vaventy, Ramanankavana Christian. Hita fa efa mihatsara ny lalana sady nohalehibiazina, ka manamora ny fivezivezena izany. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ao anatin’ny tetikasa PCMCI no ahafahana manatanteraka ity asa ity. Voasafidy hampiharana ny tetikasa MROR ihany koa ity RR36 ity. Misy amin’ireo ampahan-dalana no atao rarivato. Noha­mafisina ihany koa ny lakandrano amin’ny sisin-dalana.
Hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra ny hatsaran’ny lalana, satria kaominina manan-danja ara-toekarena i Mahitsy, ka hanamora ny fivezivezen’ny vokatra ny fahavitan’izany. Tsiahivina fa mivoaka any amin’ny distrikan’­ Arivonimamo ny lalana avy eo Farahantsana, ka ho azo antoka ny hitondrany fampandrosoana ho an’ireo kaominina manodidina hafa.

Njaka A.

Partager sur: