Namoaka vaovao ny pejy tao amin’ny Fosa juniors FC, klioba avy any Boeny mifaninana amin’ny PFL, fa tsy hisy lalao amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara sy ny PFL handeha intsony any Mahajanga. Fanapaha-kevitry ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra izany. Malahelo ihany ity klioba avy any Boeny ity, saingy tsy ho kivy izy ireo fa hanohy ny ezaka rehetra amin’ity taranja ity.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, “Fitness sy Bodybuilding Mister Tanà 2026”. Anisan’ny nisongadina ny solontenan’ny CosPN , raha tsy hiteny afa-tsy ny nandrombahan’i Rado ny fandresena teo amin’ny Men’s Physique sy i SBF Robel, teo amin’ny Classic Physique.
Tsara fanombohana ny ekipa tompondaka farany, sokajy vehivavy, IUM , tamin’ny lalao voalohany nataony, ny alahady teo, tamin’ny fifaninanana Smatchin andiany faha-12. Isa mavesatra 74 no ho 31 no nanamontsanan’izy ireo ny ekipan’ny ISTS, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, tamin’io fanokafana ny fifaninanana io.




