TARATRY ny KANTO

Andro maneran-tany ho an’ny angano sy ny Poezia, hankalazaina any Amoron’i Mania. Hisy ny hetsika izay hotontosaina ao Antamponivinany Ambositra, ny 21 marsa izao, amin’ny 9 ora maraina. Sady tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-10 taona nijoroan’ny Faribolana Sandratra any an-toerana izany ka hanasana ireo mpisehatra amin’ny literatiora sy ireo mpianatra any an-toerana.

Ho vahinin’i Erick Manana sy i Jenny ny tarika mpanao hiragasy Rasoalalao Kavia. Mandritra ilay fampisehoana izay hotontosaina ny 12 avrily izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena io. Tarika mpanao hiragasy anisan’ny fanta-daza ary efa nisehatra tany andafy ry Rasoalalao Kavia. Noho ny fankafizan’i Jenny manokana ny hiragasy no niantsoany ireo mpitendrin’ny tarika hiray sehatra amin’izy ireo, ary izao hitohy izao.

Toy ny fanaony isan-taona, hisy ny lanonambe hanamarihana ny Alahamadibe eny Anosimanjaka. Hanomboka amin’ny arendrina izany ny harivan’ny alakamisy 19 marsa. Ny zoma 20 marsa kosa ny lanonana ofisialy, hanamarihana ny Taombaovao malagasy faha-465. Hitohy amin’ny hiragasy ny lanonana ny sabotsy 21 marsa, ifanandrinan-dry Robertson avy eny Ambohimandroso sy ry Tsy Maka Lagy avy eny Arivonimamo.

Partager sur: