Nisongadina ny ekipan’ny C2BA Vakinankaratra nandritra ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2026, taranja tsipy kanetibe, ho an’ny Fédération sport-boule de Madagascar (FSBM). Nifantenana izay ho ao anaty ekipam-pirenena ny fifaninanana.
Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny alahady lasa teo, ny fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovana 2026, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana nokarakarain’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM). Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy “senior”, lehilahy ny ekipa “mixte”, nahitana an’i Mamy sy i Ram’s ary i Liva. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 13 no ho 0, ny SBA Ambohimahasoa nisy an’i Tonnerre sy i Lova ary i Claude. Lasan-dry Ram’s, araka izany, ny lelavola mitentina 2 tapitrisa Ar sy ny amboara. Hita nitambesatra tamin’i Lova sy i Tonnerre ny havizanana izay vao avy niatrika ny Grande finale PPF tany Frantsa. Ny alarobia lasa teo izy ireo no tonga eto an-tanindrazana.
Ho an’ny vehivavy, norombahin’ny C2BA Vakinankaratra, nisy an’i Mirana sy i Bakoly ary i Fana, ny amboara sy ny lelavola 750 000 Ar. Lavon’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 4, ny SBA, nahitana an’i Fetra, Hortensia, Tahiry. Teo amin’ny “vétérans”, voalohany ny ABC, nisy an’i Vololona, Jumelle ary i Mamy. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy zandriny ny C2BA nisy an’i Clarito, Andry ary i Maître kely. Nambaran’Andrianirina Adrien Julio Edouard, filohan’ny FSBM, fa “natao hitiliana sahady ireo izay mety handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny fifaninanana tanterahina atsy Maurice, ny 30 avrily ka hatramin’ny 3 mey ho avy izao, ity fanokafana ny taom-pilalaovana ity. Ireo ekipa teknika anefa no hijery akaiky izany.
Nahatratra 232 ny mpandray anjara teo amin’ny lehilahy, 40 ny vehivavy ary 39 ny “vétérans”, raha 26 ny zandriny.
Tompondaka




