Fahasalaman’ny reny sy ny zaza: Fototry ny ankohonana mirindra

Mandritra ny 4 andro ny atrikasa fifanakalozan-kevitra handinihina ireo paikady mi­kendry ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny tanora, hatao eto Antananarivo. Dini­hina amin’izany ny fanamafisana ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tokantrano sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ny ankohonana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Resahina ao anatin’ny fihaonana ihany koa ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola ilaina amin’ny hanatanterahana ireo fandaharanasa ataon’ireo sampandraharaha isan-tsokajiny. Miaraka amin’izay koa ny fanaparitahana ny paikady stratejika nasionaly vaovao sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpisehatra rehetra.
Nohamafisina ihany koa fa miainga amin’ny fianakaviana ny fototra iorenan’ny fiarahamonina. Ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny tanora sy ny fanohanana ny tokantrano no anisan’ny antoka lehibe ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny firenena.

Tatiana A

Partager sur: