Olona 13 no namoahan’ny minisiteran’ny Atitany tsy fahazoana mivoaka ivelan’i Madagasikara (IST), afakomaly. Nofoanana indray anefa ny an’ny 11 amin’ireo, omaly, araka ny taratasy navoakan’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana.
Araka ny taratasy navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, ny alatsinainy 16 marsa teo, olona 13 no namoahana tsy fahazoana mivoaka ivelan’i Madagasikara (IST). Anisan’izany ny tale jeneraly teo aloha teo anivon’ny Vondrona Axian; i Assanein Hiridjee; ny tale jeneralin’ny orinasa Ocean Trade, i Moustafa Hiridjee; ny mpitantana ny orinasa “Quincaillerie 2000”, ny avy amin’ny Vondrona Filatex, i Yavarhoussen. Teo koa ny kandidà ho ben’ny Tanàna avy amin’ny antoko Tim, tao Antehiroka, tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo, Raharinisa Vonjiniaina; ny Contrôleur général de la Police misotro ronono teo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka teo aloha, Razafindrazaka Emmanuel atao hoe Bolo. Eo koa ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Alasora teo aloha, Ramiarinjatovo Marc, izay tale jeneralin’ny Escam amin’izao fotoana izao; ny mpiasan’ny ladoany, i Holy Hanitra; ny loholon’i Madagasikara teo aloha, i Lambert Erich Besoa; ny ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, teo aloha, Ramiaramanana Patrick; ny depiote tsy miankina Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, voafidy tao amin’ny distrik’Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Miampy ny mpiambina akaiky ny filoha teo aloha, Rafearivo Irisoa Josea Narindra ary ny talen’ny fikirakirana ny fitarainana teo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny kolonely Rakotomamonjy Simon Patrick.
Namoaka taratasy ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, Razafindralambo Didier Alban Andriamahazonoro, omaly, fa nofoanana indray ny tsy fahazoana mivoaka ivelan’i Madagasikara, ho an’ireo olona 11 fa ny mpiambina akaiky ny filoha teo aloha, Rafearivo Irisoa Josea Narindra sy ny kolonely Rakotomamonjy Patrick ihany no voatazona.
R. Nd.




