Nanao sonia fifanarahana fanomezana fanampiana ho an’ny ONG japonais roa, AMDA‑Minds sy Save the Children Japan, ny masoivohon’i Japon miasa eto amintsika, i Tojima Hitoshi, tamin’ity herinandro ity, teny Ivandry.
Ho fanomezana tohana hanatanterahana tetikasa roa hositrahin’ny vahoaka malagasy avy amin’ny fanjakana japoney izany. Asa iandraiketan’ny ONG Save the Children Japan ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy Nosy Varika. Mitentina 557 751 euros ny sorabola hampiasaina ho an’ny taona fahatelo iasana, hisorohana sy handraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy. Eo koa ny fanohanana ny mpamokatra ao an-toerana amin’ny fanofanana sy fanampiana azy ireo hanao tahiry. Manodidina ny 12 000 ny mpisitraka mivantana ny tetikasa raha 60 000 kosa ireo mahazo tombontsoa ankolaka.
ONG faharoa ny AMDA‑ Minds, misehatra amin’ny fanaovana tantsoroka ny mpamboly, hampitomboana ny vokatra legioma sy anana any amin’ny distrikan’i Manjakandriana. 282 292 euros ny tohana azony, hanofanana ny mpamboly sy ho fanapariahana ny vokatra tsara ary ny fizarana fitaovana. Tanjona ny hanamafy ny fiahiana ara-tsakafo ka tokantrano 600 no misitraka mivantana raha 13 700 no mahazo tombontsoa ankolaka.
Miara-miasa manatanteraka ny tetikasa eny ifotony ny fanjakana malagasy sy ny mpitantana ny fikambanana ary ny vondron’olona any amin’ny distrika iantefany.
Mbola mila ezaka ny asa ho an’ny fanjarian-tsakafo, satria nisongadina, araka ny valin’ny Dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Mics 2024-2025 Madagascar) fa mampanahy ny zava-misy. Zaza latsaky ny 5 taona iray amin’ny telo (37%) no tsy mitombo araka ny tokony ho izy. 42% amin’ny zaza vao teraka hatramin’ny dimy volana no minono tsy misy fangarony amin’ny reniny mandritra ny enim-bolana voalohany aorian’ny fahaterahana. 23% amin’ny zaza enim-bolana hatramin’ny 2 taona no mihinana sakafo miovaova.
Vonjy




