Media Cup Pétanque: Fahombiazana ny andiany voalohany

Notanterahina teny amin’ny Kianja CAI Ambodin’Isotry, ny sabotsy lasa teo, ny andiany voalohany amin’ny “Media Cup”. Fifaninanana, nokarakarain’ny Union des journalistes sportifs (UJSM). Nisanta­rana izany ny tsipy kanetibe ho an’olon-droa miaraka. Fa­hom­biazana tamin’ny lafiny rehetra ny hetsika, araka ny nambaran-dRabenaivo Alain Paul, filohany. “Na vao santatra aza, nahatratra 21 ny isan’ny ekipa nandray anjara”, hoy izy. Tsy nampitsanga-menatra ny fikarakarana fa matihanina ary ny loka natolotra nahafa-po ny mpandresy. Maro no nangataka ny hisian’ny fifaninanana ma­­tetika satria sady manao fanatanjahantena no miala voly ireo mpiasa ao anatin’ny serasera. Matoa tontosa iny “Media Cup” voalohany iny, nisy ireo. Ani­san’izany ny Oran­ge Ma­da­gascar sy Andriamam­piadana Mahefa, minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra teo aloha sady efa tompondaka maneran-tany. Teo koa Rakotoarisoa Johnny, solombavambahoaka an’Ambohidra­trimo sady komity mpanatanteraka ao amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Raha ny vokatra, nandrombaka ny voalohany, i Nary sy i Tita avy amin’ny TVM. Na­ha­zo ny medaly volafotsy, i Rado Harivelo sy i Ferdinand, avy amin’ny La voix citoyenne ary laharana fahatelo, i Benjamina sy i Mamy, mpanao gazetin’ny 24H Mada sy RNM.

Tompondaka

Partager sur: