Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray, tetsy Manjakaray, ny alahady lasa teo.
Niady tamin’ny namany izy. Notrobaran’ity farany zava-maranitra teo amin’ny orony ka nahazo ny faritry ny lohany.
Nitrangana vonoan’olona mahatsiravina tetsy amin’ny fokontany Manjakaray II D, boriborintany fahadimy, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 15 marsa lasa teo. Niharan’ny habibiana mahatsiravina nataon’ny namany io lehilahy namoy ny ainy io, araka ny nambaran’ny fianakaviany. “Ady teo amin’ny samy mpinamana ka nisy ireo ratsy saina”, hoy ny nambaran’ny solontenan’ny fianakavian’ny maty. Notrobaran’ireo tsy valahara tamin’ny alalan’ny zava-maranitra teo amin’ny faritry ny orony io lehilahy io. “Nampidiran’ireo nahavanon-doza vy roa teo amin’ny orony ary mety nahazo ny faritry ny lohany izany”, araka ny fanazavana. Nanoloana io vono nahazo azy io, tsy tana ny ain’ilay lehilahy. Nalain’ny fianakaviany teny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA ny nofo mangatsiakany. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny ady teo amin’io lehilahy io sy ny namany.
Namoy ny rahalahiny
Iray volana sy tapany, maty niharan’ny vono olona koa ny rahalahin’ity maty ity. “Vao iray volana mahery no maty ny rahalahiny. Miantso ny tomponandraikitra hijery ny zava-misy satria ho ringana izahay raha toa ka mitohy izao”, hoy ny renin’ilay lehilahy nisy namono. Ity farany izay tsy naharaka ny fahafatesan’io zanany tamin’ny alahady io raha tsy olona no nampandre azy. Efa vatana mangatsiaka sisa novantaniny teny amin’ny tranom-paty. Mahakasika ilay namana nahavanon-doza kosa, efa miroso amin’ny fanantanterana ny fanadihadiana ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




