Napetraka ny fitaovana hamantarana ny kalitaon’ny rivotra, iarahana amin’ny Pnud eny amin’ny toby Akamasoa Andralanitra. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny World Trade Center (WTC).
Miaina amin’ny fahalotoan’ny rivotra, isan’ andro, noho ny toeram-panatobiana fako ny eny Andralanitra, ny toby Akamasoa. Manoloana izany, napetraka eny an-toerana ny fitaovana fitiliana (capteurs) ny kalitaon’ ny rivotra miisa 12. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra (Medd), ny Pnud, ny AET (Anciens enfants de troupes), ny WTC (World Trade Center). Hapetraka eto Antananarivo ny 7 amin’ireo fitaovana « capteurs » ireo ary 5 any Toamasina. Nohamafisin’ ny minisitera Medd fa anisan’ ny vahaolana hanadiovana ny kalitaon’ny rivotra ihany koa ny fambolen-kazo an-tanàn-dehibe. Hotohizana isan-taona ity fiaraha-miasan’ny minisitera sy ny WTC ary ny AET ity.
Nilaza mompera Pedro, mitantana ny Toby Akamasoa, fa tsy maintsy misy ny fepetra manokana, toy ny fanakatonana ny sekoly, rehefa tena hita fa maloto ny rivotra iainana eny an-toerana. Soa ihany, fa tsy nisy izany, tato anatin’ny roa taona farany, nanomboka ny taona 2023.
Tsy maintsy raisina ny fepetra manokana rehefa mihoatra ny 150 ny isan’ny singa maloto, hita fa manimba ny kalitaon’ny rivotra. Manodidina ny 59 ny isan’ny singa hita teny Andralanitra, raha ny andrana natao omaly 18 marsa.
Mpihazakazaka iray mira hazo iray
Maharitra 5 taona ny fiaraha-miasan’ny Akany Akamasoa sy ny WTC. Etsy ankilany, hikarakara hetsika ara-panatanjahantena, hazakazaka lavitr’ ezaka iraisam-pirenena ny WTC (Marathon) amin’ny 10 sy 11 oktobra 2026 izao, eto Antananarivo. Hampiavaka azy, izay mpandray anjara iray dia mira hazo iray. Izany hoe, arakaraka ny isan’ny mpandray anjara no ho isan’ ny hazo hambolena, entina handraisana anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana.
Njaka Andriantefirinesy




