Olona miisa telo tamin’ireo dimy voasambotra nalefa any am-ponja taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely, afakomaly. Nitrangana halatra moto tao Soanierana-Ambohimangakely, ny alin’ny 25 aogositra 2025. Tsy hita popoka ireo moto nalain’ny olon-dratsy tao anatin’ny garazy iray tamin’io fotoana io. Nanao fisavana tampoka tamin’ireo mpitondra moto ny zandary, ny 6 marsa lasa teo. Moto scooter Yamaha iray voasakana ary tsy nahitana taratasy mirakitra ny mombamomba azy. Natao fanadihadiana avy hatrany ilay olona nitondra azy tamin’io fotoana io. Voamarin’ny zandary fa anisan’ireo moto nisy nangalatra tamin’ny alin’ny 25 aogositra tao Ambohimangakely io hita io. Novain’ireo mpanao ratsy ny lokon’io moto io ary nisy tamin’ireo kojakoja hafa efa nesorina. Niaiky heloka io lehilahy nitondra ny moto io fa anisan’ireo olon-dratsy namaky ilay garazy. Nitoroka ireo mpiara-miasa aminy sy ny olona mpandray ny entana avy nangalarina izy. Olona miisa dimy voasambotra taorian’izay. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka nalefa eny am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy ny telo.
Tsiferana R.




