Torohevitra amin’ny fitantanana sy fampiasana ho amin’ny fampandrosoana ny vola azo avy amin’ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa Ambatovy. Izay no fiofanana atrehin’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina enina misitraka ny tamberim-bidy, faritra Alaotra Mangoro. Hateloana, ao Moramanga, ny fiofanana izay natomboka omaly.
Nahazo loka faharoa tamin’ireo firenena fito momba ny miralenta ny vehivavy mpanao gazety avy amin’ny RNM, i Nomenjanahary Philippine, tamin’ny sokajy fifandraisana sy fisoloana vava ary fanaraha-maso, tao anatin’ny fihaonana an-tampony nakalazana ny faha-25 taonan’ny Gender Links, tany Johannesburg, Afrika Atsimo, ny 16 sy 17 marsa lasa teo.
Nahavita dingana lehibe i Madagasikara eo amin’ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny fanambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, nampitainy omaly. Tafapetraka ny rafitra mampifandray ny fitsarana malagasy amin’ireo fitsarana vahiny, izay manamora ny fitantanana ny raharaha iraisam-pirenena.




